4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitiavana voalohany - AMPAFI Antsirabe

FITIAVANA VOALOHANY



1-Gaga sy talanjona aho

Raha nahita izany fomba sy fanao

Tsy te hahalala intsony ianao fa dia

Variana milalao

‘Lay olon’ny finoana

Nazoto tamin’ny asa hatrizay

Niverin-dalana

Ka nanadino ilay Ray



Ref:

Jesosy miantso anao anio

Ny fony mitomany

Fa saraka ‘lay tiany

Sy maminy eto an-tany

Ô mba ivereno

Ilay fitiavana voalohany

Anio raha mety ianao

Tapaho ny hevitrao



2-Nirenireny tany ianao

Tsy nahita intsony hoe

Inona no hatao ?

Ilay be fitia anie aty

Tsy manadino anao

Avy re manantona

Fa sasamiandry anao re izy izay

Ny fiverenanao

Ho hafaliana vao indray

Jesosy…

Zoaridio

Partager fitiavana voalohany

Commenter fitiavana voalohany

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe AMPAFI Antsirabe